Tsara loatra ianao! (ny eja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tena tsara loatra ianao
Dia toa tsy sahiko jerena
anefa anie ity masonao
mandinika ahy tsy hay fefena !

eny tsara ho aho ianao
ka tamin'izay tsy mba ninoako
izaho izay tsotra kely itony
mety hambabo koa ny fony ?

dia natopinao indray
handinika ahy ilay fijery
izaho niafy ny nanahy
menamenatra irery!

dia narahinao tsiky
eny kanto tsara loko
raha mba henonao iky
ny fidobodobok'ity foko ?

dia toy izay ilay fihaonantsika
tany etazonia tany ...
ankehitriny ianao tsy hita
any an-tany lavitra any .

ireo taratasy niampita
nifanoratantsika roa
no hany sisa nanambara
fa nahafinaritra sy tsara
tiana hitohy ilay fiarahana.
nefa atao ahoana moa ?
semban'ilay fisarahana !.

Ny Eja
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana - manokana - ahy
2179 3
Hevitra mandeha
tia2005 ( 02/08/2005 08:39)
mahafinaritra tokoa ilay izy fa mihaina tokoa! tohizo fa tsara ê!
rhina ( 12/09/2009 15:17)
tena kanto

dia ho sanatria ve?
hifarana eo ny tantara
tsy hiaona tsony zany !

nefa aza manaritoky
fa mbola ho avy ny fotoana
hiaona iano sy izy !

ka hanao ahoana re e!
asa!,
ka izay no ilazako
oe!, hoe matokia

mety mahavaly azy ve io ry Ny eja mankasitra e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145