Fivoarantsika (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fivoarantsika

Làlana andeha ho aiza moa izato izorana?
Toa làlana feno mistery tsy voafafa,
Manavizana ny aina lavitra fatorana,
Mahaverivery saina, toa misaritaka.

Misy ny milaza hoe: fandrosoana,
Nefa mandroso mankaiza re?
Ny hafa mitory izany ho fanatontoloana,
Fa toa andron’ny seza, tsy andron’ny fandeferana.

Tsy hay hoe inona marina no tena izy,
Fa ny zava-misy no tena mampivarahontsana,
Ny kolontsaina, toy ny ravina ritra tsy voajery,
Ny fomban-tany ankehitriny, efa hadino tanteraka.

Ny tanora zary manao zavatra mamoafady,
Ny fianarana, toa lasan-ko azy tsy mahataitra,
Fiainana hafa, fanarahana rivotra tsy voafehy,
Mampiaraka kely, dia mamoha ny fony tsy mihafina.

Ho entinao ho aiza moa ry fiainana,
Izato zana-gasy mianatra mamindra?
Zary toreo lava, fitakiana ny marina,
No mameno lisitra, tsy mety misinda.

Ny Hafatra RANDRIANTIANA, 05 Jiona 2024
--------
Rohy:
74 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Ny Hafatra RANDRIANTIANA
Nampiditra : Ny Hafatra Randriantiana
Daty : 09/11/2024 09:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0172