Raketo am-po (Ny Hafatra RANDRIANTIANA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raketo am-po

Reko tamin'ny resaka nentin-drivotra omaly
hoe: lasa nanambady hono ianao.
Nandingana vohitra maromaro, niampita lohasaha,
Any no manorina fiainam-baovao... tsy misy ahy.

Nangina aloha aho, raha vantany vao nahare io resaka io,
Tsy mety mino mihitsy ny saiko hoe: tena lasa tokoa ianao.
Iny aho fa naniraka vorona mpihaza,
Ndeha hitsidika akaninareo sy reninao.
Indrisy, fa akany mangina,
Toa akany nilaozan'olon-tiana no toa fonenana lao.

Lasa ny eritreritro nandinika...
...ireny lokaloka fahiny, ireny teny mamy tsy lany hasina:
Izaho hono ilay malala tokanao,
Izaho hono tsy manana sahala, izaho koa tsy atakalo.
Fo iray isika, hono, mandrapahataperan’izao tontolo izao...
kanefa... izao tontolo izao mihitsy no toy ny niala aina.

Io vao maraina io koa aho nahita taratasy,
Taratasy misy diam-peninao, sora-tananao
Nivalona efatra nisisika teo an-tafon-trano.
Veloma no sora-dehibe tao,
ary koa: "Tsy anjara ny antsika, ka mahità soloko vaovao."

Nihodikodina ny lanitra,
Niraraka ny kintana.
Nahakila trano ny hafanan’ny masoandro,
Niova ho rà ilay rano fisotroana.

Rindrina no sakaiza manohana ahy tsy hiohoka amin’ny tany.
Resy, tena resy ny atifanahiko,
Kivy ny fo, ketraka tokoa.
Toy ny vata nanary fanahy
niandry anao, fa tsy tonga intsony ianao.

Nofihiniko mafy ilay peratra,
Peratra nilofosana ho azo,
Hanaovana voady masina amin’ny tapa-bolana ambony.
Kanefa indrisy!
Indrisy fa ianao tsy ho ahy intsony.

Ka dia veloma, veloma hoy ilay nitia anao,
Fa tojo sampanana ny lalana niarahana nandia.
Raketo am-po anefa,
Fa mbola resy, tena resy ity fo nitia anao taloha.

Ny Hafatra RANDRIANTIANA
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana - Alahelo - Fitiavana
263 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0123