Avelao aho hiantso anao hoe... (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Avelao aho hiantso anao hoe malalaf'izay no mampitony ny foko, f'izay no masaka ao an-dohako ao
faniriana efa ela ny ahy, ho tanteraka tokoa izany raha sitrakao
hentanin'izato fitia feno hafanana, izay tsy mba mamanala
Avelao aho hiantso anao hoe sombiniana
f'efa taona maro isika no nifankazatra, ny fitiavantsika koa efa lalim-paka
efa nahazo vahana, toa manjakazaka
mitombo lanja isan'andro, tsy zaka zakaina
Avelao aho hiantso anao hoe neny
efa ianao no nekena, ho anjara tsy lavina
hiaraha-miaina, hanolokolo, hankatoavina
tsy atao an-kilabao, henoina raha miteny
Avelao aho hiantso anao hoe zokivavy
fa ianao no toky anteherana, andry iankinana
sakaiza tsy foy, namana hitondra fanambinana
solon-dreny ihany koa, no sady solon'anabavy
--------
Rohy:
