Ampidiro aloha ny tenimiafina
Feno anao (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Feno anao tanteraka aho dia toa tsy hay atao ahoanaity fo izay mitempo fitia ho anao, izay aloha no azo lazaina
efa zatra anao moa dia mila anao eo anoloana
ho fitaratra fijery, hampitony ihany koa ny saina
Feno anao avokoa moa ny fiainako tontolo
voafefinao tokoa ilay fitia dia toa tsy afa-mifindra any an-kafa intsony
f'efa anao avokoa raha ny fitiavako manontolo
anjakanao aho dia toa kanto sy manana fo mitony
Feno anao aho dia mahavitrika, toa ampy hery
zary miramirana, mahatsapa fa toa lavorary
niraisinao an-tanan-droa tokoa dia tsy very
tafaharina ilay fiainako efa rendrika, tsizarizary
Feno anao aho ry aiko dia tsy miahiahy fa mionona
amin'ilay fitiavanao mahery, izay tsapako fa mafonja
tsy hisalasala intsony mantsy aho f'efa vonona
ny hiaraka aminao, hamakivaky fiainana manonja
--------
Rohy:
Sokajy :
Aingam-panahy - Fitiavana
