Hafa fijery (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy vitsy ny zavatra efa hita
toa ny fijeriko anao no miavaka
maro be ny fitiavana efa tafita
fa ianao no hiriako ho firavaka

Ny tarehy sy ny bika ve no nambabo ahy ?
sa ny tenako mihintsy no efa mamo
toa misy anao hatramin'ny fo, fanahy
mila anao foana fa mba tazano

Ny masoko ve no mandroro sa ny fijeriko anao no hafa ?
fa toa manatsara izay tazana
na ny manodidina aza efa manatsafa
toa mifosafosa, tsy mihidy vazana

Maro ny hatsarana nandalo ny maso
ao koa ireo mahay miangola, mandrotsirotsy
fa ianao ihany no tazako tena kanto
indraindray toa mandravaka ny nofy
--------
Rohy:
425 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 16/09/2025 05:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0149