Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny any aminao (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny any aminao angamba, tsy hisy ranomaso hiseranatsy eo koa ny alahelo hanamaloka, hampitanondrika
fa ny hafaliana, ny hasambarana no manjaka tsy ferana
mahery ianao, matanjaka tokoa fa toa tsy milofika
Ny any aminao angamba, toa fahombiazana foana no tazako eny
tontosa avokoa izay rehetra natao, tanteraka ny faniriana
fa teo Andriamanitra nitahy, nohenoina raha niteny
nankahery anao hatrany, handresy fijaliana
Ny any aminao angamba, mbola misy azo hantenaina
hiatrehana, hanomanana ny ampitso sy ny ho avy
tsara vatsy teny ampihaigana, rarany tokoa raha ampy tokinaina
ho entina miatrika ny fiainana, samy manana ny azy
Ny any aminao angamba, toa feno fitoniana andro aman'alina, tsy misy tebiteby
foana ny asa ratsy sy ny asan'ny devoly mpandringana
milamina ny fiaraha-monina fa nandao ny mpandrebireby
maro ireo ezaka, maro ny efa vita tamin'ireo dingana
--------
Rohy:
