Malala ah! (Rabarison Roberto Stephan)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malala ah!

Izaho anie tena tia
Ary tsy mba mahafoy
Fa na alavitra ary njy
Dia ny fitiavako koloy

Ho vetsoiko anaty rima
Ilay fitiavana ato anaty
Indray fa toa mivaralila
Ilay fitiavanao tsy mety maty

Toa hoe lasa adala hono izaho
Fa manonona anarana tsy fantatra
Ny anaranao nefa no ambavako ao
No sady ataoko ankamatatra

Adala rehefa tena tia
Tsy matohatra ny fo
Fa satry foana iara-dia
Sy ho lamban'akoho

Ka ambarako anaty litera
Eny ataoko teny vitsy
Mety ho vahotra ny lela
Fa ny asolo anao dia tsisy

Eny anio anambara
Dia anio koa aho iteny
Fa ny fo tia tena adala
Sy tsy matokana irery

Mila anao akii ny foko
Mila anao anilako eto
Aza avela hitoloko
Fa izay laizanao dia ekeko

Malaky akiii malala ah!
Malaky mba mitongava
Fa izaho anie ka tsy salama
Tena mila anao lalan-dava

Ho arafitro ny singa
Alahatro ny andian-teny
Ilay fitavako anao tsy afindra
Fa efa anao irery

Ho faranako ny teniko
Ka ho ambarako eto anio izaho
Dia ampetrako ny peniko
Fa : "TENA TIAKO IANAO"

Rabarison Roberto Stephan ✍️
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224