Ny fahalalana (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fahalalana

Rehefa azo ianao tonga dia mipetraka
Afaka antsoina rehefa ilaina
Tsy misy anao tokoa mantsy toa ketraka
Satria ianao no ilain'ny saina

Ny fahalalana

Eny rehetra eny dia mety ahazoana anao
Amin'ny alalan'ny vavahadin-tsaina rehetra
Ka rehefa mitoetra tsy mety lao
Fa ny fikajiana azy no mametra

Ny fahalalana

Mitombo araka ny zavatra hita
Ka izany no ijerevana zavatra maro
Hasiana maso daholo koa anefa tsy ho vita
Betsaka koa mantsy izy lasa mifangaro


Ny fahalalana

Tokony hanĂ nana hazoana saina tselatra
Io no ahavitana zavatra kinga sady kanto
Izy ihany koa no ahafahana mivelatra
Raha izany no ilaina nahoana no miandry ny handranto

RAKOTOMANANA Christian Gabriel
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - fananarana
879 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138