Ny teny malagasy (RAKOTOMANANA Christian Gabriel)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny Teny malagasy

Ny Teny malagasy
Kanto dia kanto
Teny ahitana karazany maro
Tsara daholo samy manana ny mampiavaka azy
Ka ao isika ho samy saropiaro

Ny Teny malagasy
Maneho ihany koa ny kolon-tsaina
Azo sokajina ho harem-pirenena
Sarobidy loatra, tsy azo tsapaina
Mbola mihoatra noho ny volamena

Ny Teny malagasy
Fahadiovan'ny fo, fahadiovan'ny saina
Nomarihana @sainam-pirenena izay natao loko fotsy
Ampiharina @ teny, ifandraisana ampiasaina
N'aiza aiza eraky ny nosy

Ny Teny malagasy
Izay mampiray antsika
Tenenina sy soratana @ fomba madio
Harovana ary tokony hampasiaka
Tenin-drazana, tenin'ny taranaka, izay no tadidio

RAKOTOMANANA Christian Gabriel
--------
Rohy:
Sokajy : Kolontsaina - fananarana
742 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0118