Ampidiro aloha ny tenimiafina
EKEKO SATRIA… (RAMANATANTARA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
EKEKO SATRIA…Ekeko satria
Ianao nahary,
Ianao nanome,
Ianao niaro,
Ianao no naka…
Niamboho anikeo,
Nody any aminao
I Neny…
***
Miverina aminao:
Ny asanay, ny momba anay,
Rehetra, rehetra !
***
Tsy misy anay :
Ny ainay, ny herinay,
Ny vatanay, ny zanakay,
Ny havanay, ny taninay…
Ny ray aman-dreninay,
Anao avokoa, avokoa…
***
Nomenao ary lasana
Ny reninay !
***
Dera ho Anao,
Mpahary ny Tontolo,
Tompon’ny Aina,
Tompon’ny Tompo,
Mpanjakan’ny Mpanjaka,
Andriamanitra lehibe,
Rain’i Jesoa Kristy
Tompo sy Mpamonjy.
***
Nody amin'ny FIADANANAO
Ny reny malalanay !
RAMANATANTARA, Mantes-La-Jolie, 15/09/07
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiderana
Mpakafy:
ramatoabe
