TSY LAVITRA AHO, AKAIKINAO IHANY (RAMANATANTARA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAFATR'I NENYTSY LAVITRA AHO,
AKAIKINAO IHANY !
Ity nofoko ity ho lo, ho levona,
Matokia ary aza matahotra:
Izaho hamonjy ilay niaviako
Efa namboarin’ny Mpamonjiko
Any aho miandry anareo
Zanaka, havana, namana.
***
Tsarovy fa tsy very aho
Na levona aza ny nofoko
Tsarovy fa tsy gina aho
Na maina aza ny nofoko
Làlan-kizoran’ny voahary
Hatrehanareo io, hizorako.
***
Fa matory kosa aho
Amin’ny Fiadanana
Atrehan’ny Tompoko
Mihira fiderana Azy
Manao Paska farany
Aminy mandrakizay.
***
Vita ny adiko tety
Misaora ny Mpahary
Niaraka niriaria isika
Nomeny Fahasoavana,
Nototofany Fitiavana.
Raha tomany ianao
Fafao ny ranomaso.
***
Matokia fa tsy maty aho:
Miaina miaraka aminao
Koa tohizo ny làlanao
Efao ny adidy rehetra,
Tohizo ny diako,
Mahereza,
Aza adino ireo hafatro,
Mahereza !
***
Aza adino, Masina ny tany
Masina ny rehetra aminy
Masina ianao, hasio hasina
Momba anao rehetra:
Hiaro anao ho manda:
Fitahiana sy fitiavana.
***
Nofoko tsy etoana
Fa eto ihany Aho !
Tsy lavitra aho sanatria
Savao ao am-ponao ao !
Ny hehy, sangy aza adino
Mandalo ny eto koa mifalia !
***
Mifalia, eny mifalia :
Rafahafatesana efa maty.
Ny nofoko voatahiry
Hitsimoka toa voamaina,
Tsy lavitra aho,
Akaikinao ihany.
RAMANATANTARA, Antananarivo, 29/09/07
http://www.freewebs.com/ramanatantara
--------
Rohy:
Sokajy :
Fampaherezana
Mpakafy:
ramatoabe