Ampidiro aloha ny tenimiafina
Satriko, (RAMY)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satriko aza tafatoetraIreny asanao ireny,
Ka ny vokatra rehetra
Tsy handalo toy ny teny.
Satriko hahita anao
Velombelom-pifaliana
Tamin-javatra natao
Tanteraka am-pitoniana.
Ny asanao ry sombinaiko
Dia ianao no nisandratany
Fony tsisy zava-pantany.
Teny toky fa tsy baiko,
Nentinao nanolo-tena
Dia ho an'ny firenena.
25/01/2022
--------
Rohy:
Sokajy :
Politika - Tanindrazana
Mpakafy:
h_andriamoratsiresy
