Antso (Randja)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Antso ny ahy
antso dia atao
miantso fa mahatsiahy
antso ho anao

Antson'ny manina
miantso fa ngôma
miantso fa fanina
mahatsiaro ireo sôma

Antso an-kira
mba ho reha ny akony
antson'olon-tiana
tena manana ny antony

Antso mitalaho fatratra
ny mba hiverenanao amiko
antso feno hafatra
teny efa nomaniko
--------
Rohy:
45 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randja
Nampiditra : voady
Daty : 21/01/2026 15:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0114