Miandry anao (Randja)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela aho no niandry teny nitebiteby lava miandry ilay valin-teny
hoe eny sa tsia ny valin'izany
sady efa ela ihany koa aho no nanotany
Miandry aho, hiandry eny foana
na ho maharitra na ho haingana ny fotoana
miandrandra izay ao am-ponao ao
hampitony ny ao anatiko ao
Na mafy aza ny miandry anao
dia mbola hiandry hatrany aho
tsindrindaona te handreha izany vaovao
dia ilay sombim-pitia avy any aminao
Izay tia hono no mahandry
noho izany aho tsy maintsy miandry
miandry anao, tsy sasatra
miandry ilay valin-kafatra
--------
Lien:
