Tsy ratsy izy akory (Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy ratsy izy akory na zara fa vita,
fa dia ny volony fotsiny no ngita.
Asiany satroka anefa dia tsy hita,
ka mety hahatara an'i Bema sy Lita.

Tsy ratsy izy akory na koa tsisy mpila
fa di ny masony fotsiny no gila
Asiany ilay solomaso anefa dia dila,
Ka mety hampialona an'i Bozy sy Lila.

raha mbola olombelona fa tsy anjely,
tsy maintsy ao foana ny hoe indro kely.
Koa avadibadibadio sy mba fotopotory.

afantohy lalina hilentika an-tsaina,
f'izay mitsara dia mbola ho tsaraina,
k'aleo mite"ny hoe: "tsy ratsy izy akory".

Andry Mirana 20/03/2001.
--------
Rohy:
1245 0
Hevitra mandeha
kabatritra ( 11/12/2004 19:46)
Misy tsipelina diso kely :
- avadibadibadio
- mite"ny
Kanefa tsara ilay tononkalo : ara-dalàna ny gadona sy ny rima. Ny foto-kevitra dia misongadina.
Isa 4.5
vetsoko ( 12/12/2004 00:12)
misaotra @ le toro-hevitra
NY ratsy @ sasany tsara@ sasany moa ny tsara @sasany ratsy @ sasany,noho izany samy manana ny tsara aminy ary samy manana ny ratsy aminy.Natao tsy hitovy mihintsy ny tsara @ tsirairay avy fa raha tsy izany korontana be teto ambonin'ny tany,izay no mahatonga ny safidy (choix)
mazotoa
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Randriamahasoa Andry Mirana Halimalala< Andrys
Nampiditra : andrys
Daty : 11/12/2004 14:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0115