SAKODIAVATRA (RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques )

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hanao fitarainana
Fa mba sanganehana
Mandinika ny fiainana
Anatin'ny fahamehana.

Fa mba mahalasa saina
ireo vola sy ireo entana;
Voalaza fa hampiasaina
hiadiana izato aretina.

Ny haino aman-jery
mizara tarehimarika;
Mitaona sy manery
handray izay toromarika:

Kanefa lamba kely,
maloto, ratsy zaitra
No ezahana ahely
hoe fiaro tsara handaitra.

Voasazy hatrany am-ponja,
izany no malaza...
Raha manadino monja
ilay sarom-bava.

Mamely ny hanoanana,
betsaka no kivy
Fa tsisy ny eo an-tanana:
mba mafy sy mangidy!

Tsy omby ny hopitaly
Tsy ampy hoe ny fitaovana?
Mitombo ny marary,
mihamaro ny fandaozana.

Dia misy maty atsy,
Misy maty aroa
Be no lany vatsy,
be no tena voa...

Ny hany azoko lazaina:
mitandrema ihany
Fa tokana ny aina,
an'ady izao ny tany!


02/07/20
--------
Rohy:
650 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RANDRIANARIMANANA Jean-Jacques
Nampiditra : J.Jacques
Daty : 26/07/2020 14:39
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117