08 MARSA (RASOA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hataoko ahoana no hitovy Raha efa tany am-piandohana
Izaho dia efa voatondro
Ho loharonom-pahotana
Ny voary koa miangatra
Tanjako nataony kely
Tsy ahafahako manohitra
Fa tena ambany mihitsy ny hery
Jereo anie ny asa an-tokantrano
Toa izaho daholo no hianjerany
Mitotoka atsy, mitotoka eroa
Nefa samy mitady vola ihany
Raha mba mitovy aza ny talenta
Karamako ambany foana
Tsy misy mihitsy fitoviana
Efa niady aho aman-taona
Vono.mahazo toa hafenina
Fanerena hivarotena
Tsy misy izay tsy zakaina
Be dia be no tsy azo ekena
Fanolorana izay vady
"Famorana" anay vehivavy
Fanolanana miha mitombo
Dia manapotika ny ho avy
Maro koa no mbola mihevitra
Sy mandray ahy ho toy ny zavatra
Ka dia manova sy manolo
Rehefa injay antitrantitra
Koa dia maromarĂ² ny andro
Mba hakatokana ho ahy
Hampandrosoiko izay mety hevitra
Hitoviko amin ny lehilahy.
RASOA
08 MARSA 2019
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiaraha-monina