Ampidiro aloha ny tenimiafina
ANDEHA LAVITRA (RASOA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hianga ianareo andehaTandremo ny mirehareha
Aoka ahatsiaro foana fa hoe
Fahasoavana no be dia be
Rehefa injay eny an- dalàna
Gokay toy ny fahasambarana
Izay rehetra nananarana
Fa olona niangarana
Kelikely ho tonga any
Trohy daholo izay mamy
Aza hadino hatrany hatrany
Fa mila mifaly eto an-tany
Tena tsara raha mba niaraka
Fa ny vola no tsy maharaka
Hiezaka izahay amin'ny manaraka
Hanao izay tsy hampisaraka
Hivimbino zava-kely
Vatomamy sy tantely
Izay rehetra manirery
Nisafidy tsy an-tery
Dia miaraha mifaly avanja
Tetezo daholo ny kianja
Izay fihaonana ataovy manja
Fa zavatra mavesa-danja
Farany hitodi-doha
Fitsidihina no tany moa
Firariana ho tonga soa
Fa raisinay an-tanan-droa
RASOA
20 DEC 2014
--------
Rohy:
