FAHAFITOFIRAHA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ataoko hoe misy ny Fahafahana
Raha tsy misy olona hitsahana
Ka hevitr’olom-bitsy no mibahana
Mibodo toerana arahina

Ataoko hoe misy ny Fitoviana
Raha tsy ny lokom-piavihana
No lonilony sy hanjaka
Ka zary tsy ahitana asa

Ataoko hoe misy firahalahina
Raha ny fifanajana no kajiana
Samy handefitra sy hijoro
Tsy hiaina anaty horohoro

RASOA
JANOARY 2015
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
217 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 06/01/2023 09:53
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141