KOBONIKO (RASOA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy zavatra tsy lazaina
Ao anaty maka faka
Tsy mba tiako ho tantaraina
Na dia hita fa tsy ho zaka

Notandremako tsy hiely
Ny saina koa noferana
Hitazona izany irery
Tsy hamoaka ho hanenenana

Izay no tsiambarateloko
Tsiambararoa mihitsy
Lasa nivadika alaheloko
Lasa aretina mikiky

Hilaozan- teny aho indraindray
Tsy hita mihitsy mazana
Malaindaina ny hifandray
Tsy te hijanona, tsy tana

Te hitraotra ny ao anaty
Te-hilaza hanambara
Te hiteny, te hivaky
Te hiampanga, te hizara

Nefa aleo aloha mangina
Fa tena tsy voafehiko
Hanampy indray ny hakiviana
Hibanabana eo ny feriko

Hevitra tsy nihaona
Fanampenam-bava koa
Nahatonga ahy ho moana
Hikatona, hanidy fo

Indray andro mbola hivoaka
Toy ny vilany nosaronana
Hikotrokotroka hipoaka
Izay rehetra nokobonina

RASOA
AOUT 2012
--------
Lien:
209 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0115