MIALA VIZANA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aleo aloha mba Miala vizana
Rehefa avy eo indray Io azonao tohizana
Tsapako Mihitsy efa tena osa
Mety ahazo hery raha mitsotsotra
Izato lohanao mila fanimpanina
Ekeo fahendrena ny miato sy mijanona
Andeha misotro rano sady maka aina
Fa tena vizana ny vatana ary savolaina
Ireto taolana koa toa manakotsako
Mila teritery maika ato ato
Izato hatsemboana tsy mitsahatra mipatraka
Aleo Mihitsy aloha mba miala sasatra

RASOA
SEPTAMBRA 2014
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana - Fiainana
46 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : rarakivy
Daty : 10/09/2024 22:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153