MIHEZAKA (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahirana aho @ fianarako
Be dia be ny zavatra tsy arako
Ny eo tsy hay ny etsy tonga
Mbola tena tsy hitako izay mety fomba
Entina hitadidiana
Nefa dia tsy azoko hoe andeha tsy ho raharahina

Ny marika sy ny kajikajy
Tsy haiko izay hanaovana azy
Tsy kapaokako hatr@ izay
Nitsaotsaoka aho rehefa tsy hay
Tsy nety mihitsy hoe tafarina
Tsy nohezahiko koa ny marina

Ireo lesona no misy tadidina
Dia haverimberina vakiana
Hiaretan-tory fa maro loatra
Mankaleo koa dia mampitraotra
Nefa koa hiankinan' ny ho avy
Dia hiaretana na dia manavy

Izany no hiainana mandava taona
Mitaintaina sady tsindrian-daona
Satria injay tonga ny fanadinana
Dia hiainana am-pilaminana
Raha nandritrin'ny taom-pianarana
No nihezaka tsy nitandro hasasarana

RASOA
NOV 2014
--------
Rohy:
224 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 05/01/2023 18:04
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0108