MITSOAKA (RASOA)
Nantsain'i ikalamako
Audio Player
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miezaka mafy mamaky ny onjaMamaky ny làlana, miara- mitondra
Satria mahafantatra fa herin-tsaina monja
Dia hahatafita, hiampita ho tonga
Dia nihanihana irony havoana
Tsy maintsy natao, fa tsy safidy foana
Nandany andro, tsy nahalala fotoana
Fiainana maizina, toa misaona
Ny ankizy babena, ny enta-mavesatra
Mahatsiaro reraka, ny fo toa hitresaka
Ny tanjona tratrarina, tsy ahafahana mipetraka
Indraindray mila ho kivy, mivalaketraka
Ela ny ela sendra làla- mahitsy
Dia naka alokaloka sady nitsiky
Ireo vatsy sy hanina tena vitsy dia vitsy
Ny harerahana tsy mitsaha-mikiky
Maro ny lasa, ny aina tsy tana
Ireo menavava tsy nahazaka hafanana
Ny aretina koa mamely mazàna
Tsy maintsy miady fa mbola te-hiaina
Ao koa ireo havana mba te hitsoaka
Tsy afa-mandeha, toa te-hitroatra
Miaro ny fananana mba tsy hapoaka
Sy manampy ireo olona tsy tafavoaka
Izany rehetra izany dia vokatrin'ny ady
Tsy maintsy mitsoaka fa misy mitady
Mifofo ny aina, manao zava-pady
Aleo manavotr'aina, dieny mbola tomady.
RASOA
Aprily 2014
Fifindramonina ny mpitsaoka ady
--------
Rohy:
Sokajy :
Ady
Hametraka hevitra
Midira alohaAntsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
Audio Player