RAHA HO AVY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha ho avy rahavana
Ny fotoana hodiko
Hamonjy ilay tany
Ilay mamy niaviako
Dia misy zavatra kely
Mba tena iriko
Tsy fepetra akory
Nefa koa tsy hikimpiko

Tsy miaingitraingitra aho
Na koa tsy te hiaritra
Fa toy ny rehetra
Te hiaina finaritra
Mitady filaminana
Toy ny olona maro
Tsy manahy mihitsy
Ny hoe hifangaro

Tiako raha jerena
Ny fahasalamana
Izaho mahazo taona
Mety tsy ho ela, tsy ho tana
Mitady fitsaboana kely
Izay tomombana sy mendrika
Fa tsy voan'ny sery
Dia ho lasa sy rendrika

Raha mba misy koa
Ny fiharovana ahy
Amin'ny asam-boto
Sy ny asan-jolahy
Tsy hitebiteby aho
Tsy handry adrisa
Te hiaina milamina
Amin'ny androko sisa

Izany faniriana izany
Dia tsy hoe ho ahy itery
Fa isika vahoaka
Samy ho voajery

Ankoatran'ireo
Dia hitako tsara
Tsy mena mitahy akory
Ity Gasikara
Teto aho no teraka
Sy nohalehibiazina
Eto aho no tiako
Ho lasan-korazana

RASOA
NOVAMBRA 2021
--------
Rohy:
410 1
Mpakafy: RASOA16
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 19/04/2022 10:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151