TSY MAHAFOY (RASOA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any lavitra any ianao
Tsy hitako ho antsoina
Lavitrin’ny vatako
Iriko tsy ho tra-boina
Ny sandriko niondanana
Toa mangahiahy
Mangatsiaka ny fandriana
Ampian’ny tsiahy

Saiko mikorontana
Ny foko toa tsy hitempo
Nilaozanao ny tokantrano
Tsy misy fifaliana eto
Na ny asa aman-draharaha
Toa tsy vita ny hiantsoroka
Manimanina maminavina
Ny molotrao manorokoroka

Lasan davitra any ianao
Noho ny antony samihafa
Na mibaliaka aza itony andro
Toa miloko hafahafa
Sa ny masoko manganohano
Sy ny eritreritro tsy mipetraka
No mampanjavona ny fiainako
Eo anoloan’ny etraketraka

RASOA
JANOARY 2015
--------
Rohy:
323 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : RASOA
Nampiditra : RASOA16
Daty : 06/01/2023 09:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103