IZA MOA IZAY IZAHO ? (Rasobakobako)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iza moa izay izaho no tsy maintsy hajainaMitady voninahitra, mba tsy ho vingavingaina
Tsy mba manetry tena araka ny baikonao
Nefa tsinotsinona akory raha lavitra anao
Iza moa izay izaho no tsy maintsy omena
Izay rehetra angatahina sy izay mety mbola ilaina
Manandratena fa ilaina amin’ny asa izay atao
Nefa tsinotsinona akory raha tsy notinendrinao
Iza moa izay izaho no tsy maintsy hotiavina
Hoe hoekena izay tadiaviko fa tsy mba misy holavina
Mihevi-tena ho ambony, sy mahavita izay atao
Nefa tsinotsinona akory raha tsy manana anao
Iza moa izay izaho no tsy maintsy itokiana
Anankinana ny asa sy izay mety ho takiana
Manamarin-tena fa mahay ami’izay rehetra atao
Nefa tsinotsinona akory satria manadino anao
Iza moa aho no tena tianao ?
Ry Andriamanitra Tsitoha nahary zao rehetra izao
Izaho ilay zanakao tena maminao
Tsy mba foinao ho very fa nampahatsiahivinao
Hay efa nomenao ahy izay rehetra notadiaviko
Fanajà na, fanomezana, fitiavana, fitokiana
Fa tsinotsinona aho raha tsy manompo anao
Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO)
--------
Rohy:
Mpakafy:
endrika01
Hevitra mandeha
endrika01
(
11/07/2009 07:18)
Mahay manoratra tsara tokoa ianao.Mahafinaritra