NY HANY ANGATAHINAO (Rasobakobako)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny hany angatahinao...finoana voatsinampy
Fa tsy toy ny vatolampy
No hany angatahinao
Fianteherana aminao
Sy ny entako ho entinao
No hany angatahinao
Fanekeko fitondrana
Tsy ho amin’ny lalam-pahotana
No hany angatahinao
Safidy lalana izay ety
Zay neveriko ho tsy nety
No hany angatahinao
Famelana anao hiasa
Amin’ny zavatra voakasa
No hany angatahinao
Baiboly izay vakiana
Sy ny asa fitoriana
No hany angatahinao
Famelana fahotana
Sy ny teny hoe mihavà na
No hany angatahinao
Fiainana mandrakizay
Efa voaomanao ho anay
No hany angatahinao
Mpanoratra : Hary RASOAHOBY (pseudo : RASOBAKOBAKO)
--------
Rohy:
Sokajy :
Vavaka - Fampaherezana