DIA AFAKA 'LAY TANINDRAZAKO (RATSIMBA Georges)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andeha horontsoniko indray
‘Lay lokanga nihantona ela
‘Reo kalon’ny fo fahizay
No hamaha ny fatoran’ny lela

Hoy ny kalon’ny fo fahizay
Raha hadinoko ianao re ry taniko
Hanadino ny tanako iray
Ny lela hiraikitra an-danilaniko

Ny ampitso dia saro-pantarina
Ka nikombona aloha ny vavako
‘Zao kosa dia tsapako marina
Tena afaka ‘lay Tanindrazako

Tsy mandihy tsy afa-tavony
Fahendrena navelan’ny razako
‘Zao kosa tsy resaka intsony
Tena afaka ny Tanindrazako

‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako
Ka rontsoniko indray ny lokanga
Tsy nofisiko intsony fa tazako
‘Lay masoandro eny an-danitra manga

‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako
Ka mitraka ny fo ato anaty
Noratrain’ireo hafa karazana
Sy ‘reo tapaka tia vola maty

‘Zao dia afaka ‘lay Tanindrazako
Ka ho tapitra hatreo ve ny asa?
Vao maika ho mafy ny fiezako
Nanompoako azy tamin’ny lasa

Famaranana ity tonom-bavako :
“Zanahary ry Tompo mahery,
Mba tantano e ty Tanindrazako
Ny fiandrianany anie tsy ho very.

Ambanidia, 26 jona 1960
Ny RAHONA RATSIMBA Georges
--------
Rohy:
Sokajy : Tanindrazana
2223 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141