Ampidiro aloha ny tenimiafina
R'i Tiako (Herizo Ravonjison Andrianitsiahy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy fitiavana matory,Tsy maheno ny antsoko akory.
Fa miesona miala amin'ny tany,
Dia ny fitiavanao izany!
________________
R'i Tiako miesona amin'ny torimaso,
Tsy mahare ny onjan'ny akaso.
Fa mandeha jambena tsy mijery,
Dia ho aiza ity ianao mandeha irery!
________________
Ho aiza ao anatin'ny nofy mahasonenoka,
Anatin'ny torimaso maharenoka.
Hofohaziko mety harary an-doha,
Avela nefa mbola ho ela vao hifoha!
________________
R'i Tiako, mifohaza ka miarena,
Ialao ny torimaso mahasondrena.
Ndehana ka izahao,
Fa efa maraina ny andro ao!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Herizo Ravonjison AndrianitsiahyNampiditra : zonytsiahy
Daty : 14/07/2017 15:30
