MANAN-KASINA MISANDRATRA (RHHC)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MANAN-KASINA MISANDRATRANanjohy anao teny hatrany ny hasarotan’ireo sedra niainanao tety an-tany,
Nitondra tahotra ao anaty, taintaina, tebiteby, tsy hay faritana izany.
Tsapanao sy hitanao ny vahaolana mahomby, na tinakom-pahavalo,
Niafy ianao, tsy nitroatra, fa niezaka hivoatra, nampiaiky ny mpandalo.
Izaho, an-dafin-driaka kosa, mahatsapa fa mamiratra ilay tany niaviana,
Voarakitra ao daholo, na hakanto na hameva, hatsarana, mahavariana.
Mampibitaka ny fo, mipariaka any anaty, ny onjaonjam-pifaliana,
Ka ny taratr’ilay tsiky dia miantefa amin’ny voahary, hita velom-pihobiana.
Ny andon’iny lanitra iny, mba jereo fa mifafy, mampiray sy manatsara,
Ny tsiron’iny taniny iny, tena hery mampatanjaka an’i Madagasikara.
Sarobidy ny hareny, sesehena zava-tsoa, manan-kasina misandratra,
Zanahary no mpandrindra sy mpandamina izany, matokia ianao fa sambatra!
RHHC
--------
Rohy:
Mpakafy:
mitantsuuuuu - Irirak