Gasikara (roland savio rafanomezantsoa)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao ry gasikaraNo nahazoako ray sy reny
Ary ianao ry gasikara.
No nampianatra ahy niteny
Taminao ry gasikara
Taminao no niandohana
Ary ianao ry gasikara
Ianao koa no iafarana
Taminao ry gasikara
Ilay fahendrena nolovaina
Ka na ny teny na ny fomba
Tsy avelanay ho very maina
Ireo razanay fahiny
Ireo taranaka any afara
Mbola honina eto hatrany
Ka ho ela velona anie i madagasikara
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Hevitra mandeha
zolyfanomezana
(
18/11/2018 18:28)
tsara e! marina izany
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : roland savio rafanomezantsoaNampiditra : roland_savio
Daty : 17/11/2018 11:00