Lazao (Rongo)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
LazaoIza moa no hahalala
Ireo atotam- paniriana
Miafitra ao am- po tsy miala
Raha kobonina ao mangina?
Toy ny vony iray malazo
Mosarena fifaliana
Ny ao am- po raha toa ka babo
Nefa izany tsy toriana!
Eny, fitaka ny saina
Manambara fahafenoana
Amin'ny loharanon'aina
Izay tsy mbola nisotroana!
Ka raha tena tia ianao
Misikina herin- tsaina
Mandehana 'ndeha lazao
Rahampitso vao maraina!
Rongo, 2020
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana