MBA LAZAO AZY (Ryana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MBA LAZAO AZY

Mba lazao azy...
Fa hoe tsy nambara ny doboky ny fo
Mangitaka mangina vao 'njay re ny anarany;
Tsy angano na tantara fa mahavaky loha
Ny manontany tena hoe aiza aho amin’ny tantarany?

Mba lazao azy...
Fa toa tsy voatsiahy ireo faniriana anaty,
Miandry, manantena ny ora mety hihaonana;
Ireo nofy sy tsiahy mitroatra mila tsy ho tanty,
Tsy hitako hofefena, tsy vatrako hosakanana…

Mba lazao azy...
Fa toa tsy voambara fa raikitra tadidy,
Tafapaka anaty any ny tsiaron’iny andro iny;
Na dia hoe voarara satria mandika didy
Dia satry hitohy hatrany… mamiko izy iny…

Mba lazao azy...
Na dia tsy nisy nipika aza izany rehetra izany,
Raha toa aho ka nangina, izaho tsy nanadino;
Mba lazao azy hanako mora an-tsofiny any
F’izaho mbola miandry… manantena sady mino…

Ryana
(04/04/2011)
--------
Rohy:
4175 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0103