HAZONOELY 2012 (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
HAZONOELY 2012

Manàna faniriana tsara

ny ahy ny faniriako tsara
amin'izao Noely izao
dia ny miezaka miova
mba tsy hanao izay tiako hatao

ny ahy ny faniriako tsara
amin'izao Noely izao
aleoko miuezaka mivavaka
toy izay varian-dalao

fa ny tean faniriako
amin'izao Noely izao
dia ianao mba hahafantatra
ny fomba namonjena anao

mba tsarovy ,tadidio
satria Noely tahaka izao
no nihoby fifaliana
tao Betlehema tao

tao am-pihinanam-bilona
Jesosy tonga ho anao
fifaliana lehibe
Ny amin'izao tontolo izao

NY IRAKA RAMBOLAMANANA
15-12-12


NA TSY MISY KILALAO

na tsisy DADABENOELY,na tsy misy kilalao
dia teny indraim-bava ihany no azoko lazaina anao
efa tonga ny Mpamonjy,Ilay JESOSY FAMONJENA
tena mbola ambony izany noho ny zavatra omena

na tsisy Tsenan'ny Noely, na tsisy akanjo vaovao
na tsisy fety aman-danonana fizarana kilalao
na tsisy vola iraimbilanja na tsy misy voatsinampy
Jesosy tonga hamonjy ahy, izay ihany dia efa ampy

ny ahy tsy hoe sakafo loatra na ny vatomamy kely
no tena mahafinaritra ahy mankalaza ny Noely
fa noho ny famonjena azo,Ilay JESOSY tsy nanary
izany no "KRISMASY", fa tsy laoka be na vary

ny ahy indray ny hoe "NOELY",toe-tsaina vaovao
tsy izay fetifety loatra,na hoe karazan-kilalao
fa saina miova, fahendrena, fiezahana hivoatra
izany no "KRISMASY",KRISMASY tiako loatra

NY IRAKA RAMBOLAMANANA
15-12-12

ANDAO HIARAKA HANKALAZA

andao hivavaka mangina
ho an'ireo izay variana

andao isika hiara-hivavaka
ary tsy hanavakavaka

andao hiarahana mitory
ireo tsy mahalala akory

aza adino velively
Ilay JESOSY zazakely

samia mba mahatsiaro tena
fa nahazo famonjena

mba tahafo indray anio
ny fiainan'io JESOSY io

hirao ny hiran'ny Anjely
hira tamin'ny Noely

andao hanandratra Hosana
fa ravarava ilay satana

andao hiaraka hankalaza
fa teraka Jesosy zaza

NY IRAKA RAMBOLAMANANA
15-12-12
--------
Rohy:
3332 0
Hevitra mandeha
hery ( 15/12/2012 22:58)
Fa nahoana no natambatra daholo ? :-)
Malalason ( 16/12/2012 15:07)

MANAIKY AHO KANEFA...

Raha ny hiaraka hankalaza dia ekeko ihany
Fa raha ny tsy hanao fety laviko avy hatrany
Fa ny ahy aza satriko isan'andro noely foana
Fa ngah moa vary sy laoka be vao afak'hikidaona
Fa izay misy eo dia revena manjamanja
Atomboka ny fety, atao malalaka ny kianja

Fa io JESOSY io? efa ela no namonjy
F'isika olombelona no toa milonjilonjy
Tsy mahay mifankatia sy makamamy fiainana
Fa na omena ny lafatra aza, mbola feno fanaintainana

noho izany :
MANAIKY AHO KANEFA...
ALEOKO ALOHA MILEFA
MANDOSITRA NY MPIHATSARA-IVELATSIHY
IREO MODY MIAINA AM-BAVAKA
LOZA HAY MPAMADIKA AN'IJESOSY KRISTY
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0105