VITSY (SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny ahy io torimasoko io
sasatra no ataoko sorona;
Raha mikipy aho na mierotra;
Tsy rendrika aho fa vono-vorona
Handaminantsaina fotsiny:
Fahendren'ny olo-malina;
Fa ny vetsovetsom-poko
Tiako hotantaraina anao,
Mila hiakatra aman'alina:

"Ianao hitantana ny tanako,
Na ianao hitantana ahy,
Na isika homem-para
ka hitaiza zazalahy
Na ny andro kanto indrindra
Na ny ora hangatsiaka...
Na ny vola sy harena
Mety hiditra amintsika;
Izaho tsy hisaraka aminao
Na lafo hatramin'ny tanindrazako..."
Saingy rehefa mihaona isika,
tsisy zavatra voalazako
Vao mihaona dia mitia
zava-miafina izy ity!!!
lalany io fa izany mihitsy

Izay tsy nandalo tamin'izany
No lazaiko hoe: "VITSY"

SARONDRAHONA RAMBOLAMANANA
Tél: 032 62 897 51
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2482 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104