NY ANILANAO (singam-pitiasaropady)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ANILANAO ?

Hay ny eo anilanao !
Fanefena fahasambarana
Tsy ho loa an-taona maro ...
Ka na aza minitra
Eny na segondra
Tsy hiarahatsika roa
Dia ...
Banga iray ny tsiro
Mamehy ny fahasambarana
Homanitsika hiadanana

Satria ny eo anilanao
Tsiro tsy voalaza , tsy fantatra ho visaina
Fa ...
tsiro hamamaniana
Tsy mba mampalaina ...
Fa aza mampazoto

Dia lasa haiko koa fa ...
Ny eo anilanao
Eo ilay fandrendrehana
Vakanam-pitia
Sahala volamena ka ...
Tsy mba mety ho loa
Fa aharitra doria ...

Dia eto anilanao
Eto no hivoadiko ...
Hianianako aminao
Hoe : Inty aho ?
Hanambatra hasambarana hiarahatsika higoka
Hatrany am-parany any

?SINGAM-PITIA SAROPADY… ✍️?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
80 1
Mpakafy: Azrael666
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : singam-pitiasaropady
Nampiditra : SingampitiaSaropady
Daty : 24/01/2026 12:41
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0107