FITADIAVANA (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fitadiavana an-dravola
tsy azo atao kinofinofy.
Mila anao hampiady nify
sy hatsembona amin'ny tava.
Mila fampiasana vava,
Mila anao mikarokaroka,
Ny asa mafy sady sarotra
Tsy ifidianana karazany
rehefa tsy andatsahana aina.
Ny ara-batana aman-tsaina
samy manana ny andraikiny
raha maniry ho eny akaikiny.
Ny vola koa tsy mampitony,
Toy ny menaka an-tsavony;
Iray minitra no ao am-paosy
dia mirifatra eny Itaosy,
Mitady lalana etsy Ivandry,...
Ny fitadiavana azy anefa
nanamontsana ny sandry,
Ny poketra sasa-miandry,
Saingy indrisy!...Nandalovany.
Novangiany dia nilaozany!
Soa fa mbola misy foana
ny asa maro sy fotoana
ahafahana mitady,
Hamelomana an-dravady.
Samy manana ny lokony,
Samy manana ny antokon'
asa fitadiavam-bolany.
Ao ireo miainga anaty angovo,
Ao ireo miezaka mitovo
sy mikaroka an'izany hatrany anaty nofon-tany.
Misy kosa mitsakaraka
any anaty ranobe,
Misy ireo mpivaro-pe!
Ny hafa makamaka toerana
etsy anatin'ny birao,
Misy varo-tsaribao no ahitany tombom-barotra.
Tena mazana sy sarotra
ary tsy azo atao kinanga
ny antoky ny fitadiavana.
Rehefa lalana mazava
no ahazoana izay ho anjara,
Na ianao mpamily fiara,
Na ianao mpitari-posy,
Na ianao mpitoriteny,...
Ireny rehetra rehetra ireny
dia azo eken'ny zava-misy.
Saingy kosa raha karama
hamonoana mpiara-belona,
Ka laroina risoriso...!
Avy hatrany ianao dia diso.
Ho rakotr'ozona avokoa
ny taranakao mpandova.
Dieny izao dia mila miova
raha tafiditra amin'izany.
Aleo mivarotra mangidy!
Handray ny lova sarobidy
vokatry ny fahamarinana.
Ny fitadiavana eto mantsy
tena mila fisikinana,
Omban-kerin-tsaina ambony.

.......SOLIMAH......
27-04-2020
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
73 1
Mpakafy: SOLIMAH
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 07/07/2026 07:40
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0127