L E F E R I K O (SOLIMAH)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha izy no mamin'ny fonao malala,
Leferiko ny ahy ny fitia miady sisina.
Vonon-kitony aho, kanefa tsy hiala.
Fitiavako izany, tsy mila hamafisina.

Azonao bedabedaina ny vatany,
Kanefa tsy zoko ny hanimba ny tady.
Ny hany iangaviako, mba aza atao fantany
ny olona misy amintsika mivady.

Na hiombom-panahy aza ianao sy ny rafiko.
Tsapako loatra fa tianao izy iny,
Tso-drano angamba no sisa azo afafy :
Tiavo izy ry aiko fa tsy asiako tsiny.

Isan-kariva ianareo roa, tsikaritro:
Miara-mivazo, mifanafosafo.
Misy ireo hira tsy tena voafaritro,
Hira fiandrasanareo roa sakafo.

Iaretako izany fa tiako aza ianao,
Malalako ianao io , na ratsy na tsara.
Porofon'izany izao soratra izao !
Vadiko ianao na dia mpiondan-gitara.

.....S O L I M A H .....
©1022®
--------
Rohy:
22 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : SOLIMAH
Nampiditra : SOLIMAH
Daty : 18/10/2026 18:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0098