Ampidiro aloha ny tenimiafina
Ny Zanako (Solofomanjato)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka !Ianao no tena aiko,
Ianao no andrandraiko,
Ianao no antenaiko,
Ho tena fanafody, ka
Ho sitran-tsi-miody,
Ireny feriferiko !
Mameno ny eritreritro !
Tsarovy sombinaiko
Fa zavatra lalaiko
Sady koa hajaiko
Ny fikirizanao
Hanakatra ny avony
Ka ny hasasaranao
Tsy hisy very anjavony
N’inona hidona !
N’inona ihatra !
N’inona baboina ! ka
Ho foana ny eo an-tanako
Tsy ekeko mihitsy
Raha rariny ho an-janako
No amiliana ny Hitsiny
Ho andry iankinanao
Ho aron’ny ankaso
Ho reharehanao
Tsy aharesy tondro-maso
Iny tanako iny, sy
Hamaha ireo fatopato-
Pangejan’ny fanahiana
Anaka !
Satriko ka satriko
Ho anao izao sy izao
Nefa sombinaiko
Tsoriko aminao
Ireny rehetra ireny
Ho zava-poana lavitra
Raha tsy ao ny fahendrena
Sy fitiavan’Andriamanitra
Tsy andalàko hery
Tsy andalàko harena
Tsy ahoako ireny
Raha hanànam-pahendrena
Ho anareo taranako
Ka ny fandresena
No hanondrotra ny zanako !
SOLOFOMANJATO 1999
--------
Rohy:
Sokajy :
Fiainana - Fampaherezana
