IMPIRY (TöBi)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Impiry nisy nikendry
sy hany nandrebireby
Tanaty nofinofiko
ary firy no natosiko?

Tsy ho tojo anao!

impiry aho no niaro
tamin'ireo mpandalo
izay nikasa ny anao ratsy
sy amela karazan-tasy

Tsy navelako anefa izany!

Impiry aho no nibaby
nibaby zioga tsy fisangy
ho anao tanaty nofiko
ho anao ilay anomezako ny tokiko

ho anao ho anao!

impiry aho niteny
tiako ianao ,ombieny ombieny
tsy ambetim-pilaza fotsiny
fa avy ao am-po sy ny rotsiny

tsy nofy kosa anefa!
#Tobi#
27/1/23
--------
Rohy:
276 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TöBi
Nampiditra : NatheFy
Daty : 30/01/2023 15:27
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137