fitia volamena (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
FITIA VOLAMENA
Tsy mba hananako ny teny
Hilazako ilay fitiavako
Fa efa tsapanao ireny
Na tsy hilaza aza ny vavako

Izaho tsy hanolo-boninkazo
Fa ny foko no omeko
Azoko antoka tsy halazo
Ka hahefa izay kendreko

Tsy hananako ny harena
Izay hahafa- po anao
Fa fitia no volamena
Izay natokako ho anao.

Fitia volamena....

Vonjisoa ANDJANIRINA
--------
Rohy:
517 1
Mpakafy: maizina max
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0156