NGAH?! (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NGAH?!

Aza asiana feo mandeha
Na dia teny in-dray mipika
Aza misy atao mandre
Izay rehetra mombantsika
na ny namanao akaiky
na koa 'reo havan-davitra
Aza mety akory hiaiky
Ny fanadinany maharitra

Aza mety hiloa-peo
Na hibitsika azy akory
F'hitsikio fotsiny eo
Aza atao manorisory
Ka raha misy manontany
Miaraka ngah 'nareo?
(D'izao no ataovinao famaly)
Ho inonao moa izany?
Ianao angah no tsy efa teo?

D'izay aloha no ataovy ampy
Ampy hitiavanao mangina
F'aza dia mora miantsampy
Ndrao sendran'ny saro-baliana

TIANA
--------
Rohy:
1054 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 17/07/2014 06:11
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143