VAZO MANDRAKIZAY (TIANA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VAZO MANDRAKIZAY

Raha ho avy ny fotoana ka ho toa ny fahanterako
Rehefa koa ny voloko no lasa volofotsy
D'izay no lohataona... vanin'andro fanaperako
Akako hafanana,anilanao mandrotsirotsy

Izay andro nanombohan'ny fitempon'ny fontsika
D'ilay mpivady vao,vao mibita-kasambarana
Ny tsikiko aminao ilay somary misariaka
Misambatra fitiavana madiva efa hifarana

Ndreo maso mifanopy,efa tsara petrapetraka
Toa jiro mitsilopy nefa ampy nanazava
Raha tany ity tokoa k'isika roa hivalaketraka
Ny voadintsika roa... mandrakizay, tsy ho lefy laza

Ilay sezan-tokontany voahodidin'ahi-maitso
Ilay indray hariva izay nitafàntsika fahiny
Teo no toera-mamy nandraisako ny antso
Antson'ny fitiavana hatrizao k'hatramin'iny

Impiry ary aho no sahy ka nitory ny fitiavako?
Hotanisaintsika eto am-pitoniana anio izany
Hotsiahivintsika etoana koa ny redin'ity vavako
Na zava-ts'isy dikany,ihomehezantsika hatrany

Indreo manilo antsika ny tara-pahazavàna
Rehefa injay mitafa eo an-tsezan-tokontany
Handrotsirotsy antsika,hanao izay hahatamàna
Hanovo indray ny resaka mihavao tsy mety lany

Fa toy ny isanandro aho... mitia anao hatrany
Na aza koa hikentrona ny endrikao malazo
Ny omlay mbola ihoaran'ny ampitso sy ny androany
'lay "'zaho tia anao" isanandro ataoko vazo

Nofiso ny alintsika, ny tsiaro aoka hitambatra
Ny tsiahinao rehetra aoka mba ho ahy koa
Ireny tsiaro ireny mantsy afa-mampitambatra
Mandrakitra fitia amin'ny fo nizara roa

Isika raha ny marina,ho antitra sy halazo
Mandrakizay ny tanako hamikitra na jaly
Car, vois-tu, chaque jour,je t'aime davantage
Ny ampitso mbola ihoatran'ny androany sy ny omaly

Ka am'ty fitiavana mihoatra noho ny nofy
Am-po no itahirizako ny maminy rehetra
Mihazona raha vitako ny hikolo tsy hampiofo
Mba indray andro any,hotsaroako izay nitoetra

Izay no andro farany,nitondràko volofotsy
Mandrotsy ahy matetika ny maminy nitoetra
Ka am'ty fitiavana manoatra noho ny nofy
Am-po no hiangaliako ny vazony rehetra...

TIANA
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana - Fitiavana
1227 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : TIANA
Nampiditra : tianarilala
Daty : 26/07/2014 06:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099