DOBO MANGA ROA (Toetra RAJA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DOBO MANGA ROATany an-toerana
Nombako
Niserana
No nahitako
Dobo manga
Roa miery
Naharanga
Ny fijery.
Na fihinin'
Ny zozoro
Hodidininy
Tsy atoro
Dia tsikaritra
Ihany
Nahafinaritra
Aok'izany :
Voaloko
Kanto ery
Mampifoko
Foko tia
Sady vita
Nanahary
Tsy fahita
Amin'ny sary
Ao an-tsaha
Meva ery
Tena maha
Te ho tia !
Miramiram-
Pahadiovana
Andosiram-
Pahalovana.
Satry hatrany
Ho bikaina
Ny hatsarany
Mampisaina !
(...)
Dia ny masonao
Baliaka
Tsilalao
Manjopiaka
Dia ny masonao
Topazana
Satry atao
Fiantsampazana
Mahatamana
Ny fijery
Misy mana
Soa miery
Any an-tany
Lavitr'olona
"Ny androany
Tsy fitolona"
Tena tsotra
Fitadiavana ;
Mipololotra
Ny fitiavana.
Hivavahana
Tokoa
Iatahan-
Java-do :
Dia ny lobo-
Lobom-po
Misetra dobo
Manga roa !
Toetra RAJA
18 janoary 2008
http://www.freewebs.com/toetraraja/index.htm
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahiahy
Hevitra mandeha
pissoa
(
12/02/2008 21:12)
Mahafinaritra hatrany ny mamaky ny asa-soratrao.
Hi hi - elaela aho vao tonga saina hoe zavatra + lo hay moa no manome an'ilay java-lo 😞
Hi hi - elaela aho vao tonga saina hoe zavatra + lo hay moa no manome an'ilay java-lo 😞
hery
(
13/02/2008 09:23)
😊 tsara kah.
manga maso izany?
manga maso izany?
toetra
(
13/02/2008 18:49)
Mankasitraka ry Pissoa sy Hery. Fananana iombonana ny teny malagasy ka iarahantsika manandratra.
3004
(
18/04/2008 13:21)
Mankasitraka e !
nyeja
(
15/07/2008 14:11)
tsara ry Toetra Raja a
voaray koa ilay hafatra : Dobo manga roa !
voaray koa ilay hafatra : Dobo manga roa !