Fo adaladala (Tsikiko)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fo adaladala ! fo malemy tsy ampy saina ?
Tsy sahy niteny mafy, na niseho nitaraina
Fo mandevona ny lasa, ireo teny izay mandratra
toa adinony avokoa, tsy namaly... efa zatra

Fo adaladala ! tsy nety fay, mbola mamerina
Tsy miraika akory amin'ny fitaka sy nenina
Fo mikiry ny hitia, ireo tsy mendrika ny ho tiavina
Ireo manisy ratsy, hiantrany foana tsisy avona

Fo adaladala ! nangina lava sy mandefitra
Tsy mivaky loha akory, ny mariny nilefitra
Fo nitony sy tsy rototra, mitsiky foana sy tsy taitra
Nizaka irery ny tsy rariny, tsy nanditra, tsy nivaitra

Fo adaladala ! miran-dava tsy mba tezitra
Tsy nisaina ny hamono ireo izay ratsy fihevitra
Fo nitahiry fanantenana, fanantenana tsisy farany
Na amin'ny ali-mazim-pito, mbola ahitany ny mazavany

Dia ny fonao ry Mpamonjy ! Ry 'lay Jesosy Tompo tia !
Efa mpanota be izao nefa nikelezanao ny dia !
Efa nikapoka, nandrora, nanombo sy nandefona...
Mbola natemponao ho azy ny fonao efa voalefona...

Adaladala Ianao ry fo ! fo tokan'ny Mpamonjy !
Fo mitia anay mpanota mba ho samy ahazo vonjy
Fo nijaly sy nitsahatra mba hanokatra ny lanitra
mba ho anay tsy mendrika ny fahasoavan'Andriamanitra.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
2694 2
Hevitra mandeha
tinah2 ( 16/09/2006 08:36)
Ry Fitsikiana an ! Izay tia tokoa hoe adala ! Asa ...mino izany ve hianao ? Amiko aloha toa mistery tokoa io fitiavana io ...
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Tsikiko
Nampiditra : tsikiko
Daty : 06/02/2004 21:04
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01