Fetin’ny ray (tsiolaka)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany hono lehitsy fetin’ireo ray a
Dia lasa teo ny saiko hoe "any ialahy izay"
Ry ilay lany mondron-kery tsy nitandro hasasarana
Matory am-pasandrazana ,mivalampatra an-tsoalana

Tsy maty fa matory...!fotsiny ialahy miala sasatra,
Miandry ilay fihaonana eny an-dranomasina fitaratra
Fa androany aho lasan’embona dia avy mba nandalo
Namangy ambetsovetso ,notantanan’ny tsiaro

Fa mantsy hono androany fetin’ireo ray
Dia eto ambaravarankelintsika aho no mahatsiaro indray
Fa nisy teto ialahy ,ilay nataonay ho maodely
Ny eto Avara* mahatsiahy ny any Ambohimangakely
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
18 1
Fans: tsiolaka
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsiolaka
Inséré par : tsiolaka
Date : 18/07/2026 10:45
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0126