Antso ho anao (Randja)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miantso anao aho hiverinahitsabo ilay ratra tsy hay leferina
miantso anao aho hitodi-doha
hampitony ny saina sy ny fanahy ary ny fo
Miantso anao aho dia mitalaho
hamerina ilay fitiavana ho vao
miantso anao aho fa efa resin'
ny alahelo sy tomany mifanesy
Miantso anao aho fa mbola babo
ity foko kely izay mivazo
ireo tsiahy sy tamberina fahizay
niantso anao aho hatrizay
Miantso anao aho fa mbola tia
hanao ny voady hiara-dia
miantso anao aho dia mba valio
fa ianao no hany hazavana mba hitsilo
--------
Rohy:
