RANON'NY FITIA (VOLAFIHA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy haiko hoe teny ahoana no ahalaza ny ato am-poko
Tsy haiko koa na manao ahoana ny hamafin’ny finoako
Fa imbetsaka eny mihitsy, no manorika amin’ny tava
Ilay ranon’ny fitia mampangovitra ny vava.

Efa reko ihany hoe: “ny fitia fitomaniana”
Efa niainako ihany koa ny alahelo olon-tiana
Na ny fiainako ankehitriny mbola manamafy izany
Fa imbetsaka ny tia no mirotsaka tomany.

Na izay zavatra heverina ho tsisy dikany aza moa
D’ efa mampanganohano raha mahatsindrona ny fo
Mainka fa ireo disadisa, herisetran’ny ankaso:
Tena oram-batravatra mahabongobongo maso.

Fa ianao no loharanon’ny fitiavako ato anaty;
Ho kajiako, ho kojaiko, ho koloiko mandra-maty
Eny ekeko fa porofom-pahaveloman’ny fitiavako
Ilay ranon’ny fitia nahaotsaka ny tavako.
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1161 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : VOLAFIHA
Nampiditra : VOLAFIHA.
Daty : 10/11/2015 11:17
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141