Andramako (Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv))

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Andramandramako ihany
Ny hanipitsipy vato
Ho eny an-tamponao
R’ilay ankaratra iny.
Sao ho voafafa ihany
Tsy voatahiry intsony
Ao anatinao
Ny omaly sy ny lasako.
Andrao ho tototra any
‘Lay dongontanim-pasako
Norakofan-tsilo
Tao an-taponao;
Tsy hisy hahatsiaro intsony,

Andramandramako ihany
Ny hanipitsipy vato
Ho eny antaponao
R’ilay ankaratra iny,
Eny hataoko izany
Mba ho voatoraka any
Ilay voninkazo iray
Adaladalakely
Nandao ny zaridainako;
Tsy mahatsiaro intsony
Ilay fisahiranako
Nikarakarako azy
Teo an-jaridainako


Andramandramako ihany
Ny hanipitsipy vato
Ho eny an-taponao
R’ilay ankaratra iny;
Ndrao ho tototra any
‘lay lavaka mamerina
Ny akon’ireo lasa
Hiverina amin’ny fiainako,
Izay efa adino omaly
Sy efa nokosehako
Tao anaty diary
Izay taona maro izay;

Andramandramako ihany
Ny hanipitsipy vato
Ho eny an-taponao
R’ilay ankaratra iny;
Sao ho takona ihany
Ilay sisa masoandro
Efa malok’ila
An’habakabakao;
Hamafa tsy hita intsony
Ireo karazana aloka
Nandroso tamin’ny lasako,
Mba hitovy tantana;

--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
18 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Vonjisoa ANDJANIRINA (RNMv)
Nampiditra : Lasyiray
Daty : 30/10/2024 18:24
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016